<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Mahareta, mahareta, FFPM637</title>
<lyrics>[V1]
 Mahareta, mahareta,
 Ry mpihazakazaka ô !
 Be ny zava-mahalavo,
 Aza kivy Hianao.

[V2]
 Mahareta, mahareta,
 Ry mpihazakazaka ô !
 Mahavesatra ny ota,
 Aoka re harianao.

[V3]
 Mahareta, mahareta,
 Ry mpihazakazaka ô !
 Lavi-dalana haleha,
 Andrao tsy tonga Hianao.

[V4]
 Mahareta, mahareta,
 Ry mpihazakazaka ô !
 Indreo ny maso izay mijery,
 Tazany ny dianao.

[V5]
 Mahareta, mahareta,
 Ry mpihazakazaka ô !
 Ao ny Tomponao miandry,
 Izy no jereonao.</lyrics>
<hymn_number>637</hymn_number>
<author>W. Boyce</author>
</song>